<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Anna Thunem</author>
<hymn_number>599</hymn_number>
<title>O, Ry Jesosy mifaly ny foko FFPM599</title>
<lyrics>[V1]
 O, ry Jesosy, mifaly ny foko
 Raha tsy lavitra Anao,
 Ka mba mangataka indrindra,
 re aho
 Ary mifona Aminao ;
 Tano ny zanakao mba tsy ho
 very,
 Tano akaiky Anao !
 Zaza adala ka mety miery,
 Raha dia lavitra Anao.

[V2]
 Aza manary izay mitalaho,
 Fa mba vonjeo anie ;
 Tena mahantra sy ory re aho,
 Diso sy meloka be ;
 Nefa maniry hiova ho tsara,
 Ka ta-hanoa Anao,
 Ary ny zavatra izay voarara,
 Tsy mba hataoko izao.

[V3]
 Raiso, ry Tompoko, ny
 fikasako,
 Raiso ny foko anio !
 Raha ny marina no ialako,
 Dia ahitsio sy ampio ;
 Fa Hianao, ry Mpamonjy
 mahery,
 No tsy mba mety mandao,
 Ary Izaho dia tsy mba irery,
 Fa tsy ho lavitra Anao.</lyrics>
</song>